FITIA TEFY TANIMANGA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA TEFY TANIMANGA...!
Tinapaka sahady, ilay tady nifamatorana.
Drodroky ny ady, hono ilay fatoràna,
fatorà-nampiray, nitia sy ny tiana.
Ilay hoe mandrakizay, toa rava, nahavariana!

Toa kitoatoa ny rafitra fitia,
tsy laviko, tia ianao satria,
sahy niady mafy, namerin'ilay tiana,
saingy ny rafy, no nahazo ilay nirina!

Fitia ratsy feta, toa tefy tanimanga,
zary setrasetra, toa fery! Injay nahajamba,
nanakona ny taratra, nandrava ireo vina!
Ny fo 'lay tomaratra, indrisy! Toa nilaozan-tiana!
RRAG
14 Aogositra 2017
--------
Rohy:
428 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0281