FITIAVAN’NY TSY TIAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVAN’NY TSY TIAKO…
Mba tsy handràtra fo, hamery ny ao anaty,
haningo-panindroa, ny felana miranty,
manaingo zaridaina, toy ny fitiavanao,
dia aleo ekeko, ekeko tsotra izao.

Ekeko ny hanalavitra, ‘lay tiako izay tsy tia,
ka horaisiko eto, ny fitiavanao tsy tiako,
satria hinoako mantsy, fa tsy ho tafara-dia,
izahay roa, na hivadika aza, ny pejin’ny ampitso.

Ny fitiavanao tsy tiako, mety hanaja ahy,
hametraka ny hasiko, hanome fahafaham-panahy,
hahatsapa fifaliana, raha manakaiky fo,
ho lavi-pijaliana, hahita izay mahasoa.

Fitiavan’ny tsy tiako, ny anao fa mety hanjaitra,
hamafa lotom-pery, maimbo efa tsy laitra,
tsy zakan’ny hafa intsony, ankoatra anao tsy tiako,
raha sainiko tokoa dia, toa ianao no tiako.
RRAG
09 Septamba 2004
--------
Rohy:
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0234