FOTOTRA FAHAROA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOTOTRA FAHAROA…!
Matetika tsy hita, hinian-tsy tazanina,
irony zava-bita, nahatonga olom-banona,
nahatonga olon-kendry, toky sy rehareha,
dia mbola ny sori-tendry, no lazaina fa lehibe!

Kanefa anie tsy iza, fa i Dada ilay niezaka?
Nandrava ny mangina, ary tsy nifezaka,
no fototra faharoa, nihary sombin’ny aina,
vokatry ny fo ka, tsy nasian-taraina.

I Dada ilay nahaolona, andry nianteherana,
ilay namaha ny olana, tsy tamim-pahatezerana,
fa tamin’ny zoto-po, tsy hay lanjaina fetra,
nikaroka ny soa, ho an’ny zanany rehetra.

I Dada ilay matetika, tsy hita tao an-trano,
izy koa no imbetika, hidirana angano,
handoa ny trosan’olona, noho ‘ty zanany adala,
izy no vahaolana, tan-davaka malama.

Fototra faharoa, ‘lay voa iray namony,
ilay nanolo-tsoa, ny fo tsy nety tony.
Ilay ‘ndraindray hadino, kanefa manan-danja,
tena tsy mampino, hoe tsy mpameno banga.

Fa tena aina iray, anaty fon’ny tena,
i Dada no mpampiray, anivom-pandresena,
fototra faharoa, fa aina fenon’ny aina,
nitondra ireo nahasoa, sy taratry ny maraina.

Fa hafa koa i Dada e! Miavaka sy tokana,
niahy sy nitaiza, toa manam-pitia manokana,
miaro sy mitsinjo, ny hoavin’ny taranaka,
hafa koa i Dada, Ray tsy mahafoy ny zanaka!
RRAG
11 Jona 2018
--------
Rohy:
639 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224