FOTOTR’AINA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOTOTR’AINA…!
Ny rano an-doharano, madio mangatsakatsaka,
mamaky haram-bato,manarakara-kady.
Irony ranomamy, tinaza-midadasika,
eny an-dranomasina, vao ‘njay mifampitady!

Hafa ihany lahy, ny voatran-Janahary,
fa miavaka sy tokana, kanto ohatr’izany!
Tena tsara voatra, sady tsara kajy,
fototry ny aina, mamelona ny tany!

Ny orana mirotsaka, mampiaina voary,
mamelombelon’aina, ny voly manontolo!
Ny hain-tany anefa, isan’ny mampijaly,
izay rehefa vendrana, adala tsy mikolo!

Tsy mitsinjo hoavy, tsy mijery fiafaràna,
dia ny doro tanety, no ampanjakaina!
Ny rano tsy misy, eny, manjaka ny hafanana,
nefa mbola toa tsy taitra, ny tsy manan-tsaina!

Rano! Rano! Rano fototr’aina,
ilain’ny zavaboary, sady manankasina!
Koa mitsangàna, ovao ny toe-tsaina,
ka hiaro ireo rano, ranomamy, ranomasina!

Izy ireny mantsy, mitahiry harena,
mitahiry soa, ‘zay sompitry ny aina.
Ka izaho sy ianao, no ilain’ny firenena.
aoka izay! Mba re tonga saina!
RRAG
Alarobia 29 Martsa 2017
--------
Rohy:
318 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232