Ampidiro aloha ny tenimiafina
HO ANAO MPAMAKY...! (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO MPAMAKY...!Tsy lafatra akory, ireo poetantsika.
Tsy Andriamanitra izy, fa tena toa antsika.
Olombelona, mba manam-pahadisoana.
Manana ainga vao, mirakitra finoana!
Tsy farany avo izy, fa tsotsotra ihany.
Toa anao koa, sendra ady dia tomany.
Mieritreritra 'ty fiainany, dia mba malahelo.
Ny fiainany eto an-tany, tsy lanitra fa helo!
Ry mpamaky hajaina, ny mpanankantontsika,
mila anjara toerana, eo amin'ny fiainantsika.
Mila tolo-tanana, tosika avy amiko, sy avy aminao.
Ho anao mpamaky, no hanaovako, izao antso izao!
RRAG
06 Aprily 2017
--------
Rohy:
