HO AN’I… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN’I…
Ho an’i…
Nandeha nikopak’elatra,
ilay fody mpivahiny.
Vao nanomboka nivelatra,
dia nianjeràn’ny tsiny.

Noho ‘reo ratsy maro vita,
tsy efa hotanisaina.
‘Zay mbola re mamatotra,
mamefy ny ao an-tsaina,
mahatonga disadisa.

Asa ianao raha mba mahatsiahy,
hatramin’izay nandaozanao.
Namela ahy hiahiahy,
hitebiteby hatramin’izao.

Fa ny fireneko ihany,
no hany namako nandefy.
Namafa ny tomany,
dia nandrava ilay fefy,
izay nofaritanao.

Toa tsy mampino ahy,
tsy azoko heverina!
Toa tena mampanahy,
f’ianao koa aza,
toa mody be marenina.

Ho an’i…
Ho an’izay mahatsapa,
fa manam-pahadisoana.
Ho an’izay voaràtra,
raha noho ny finoana.

Ataovy sarisary fotsiny,
ireo nambarako fahiny.
Fa ny tena izy,
dia, ny fihavanana tsimbino.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
339 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1333