HO AN’IREO MIJALY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN’IREO MIJALY…
Inty mba misy amboara, omeko anao mijaly!
Inty mba misy vetso, ho anao ‘zay mitomany!
Mangina fa tsy ho ela, dia ho ravan’ny anio,
ho levony sy ho totony, ny herin’ny tadio;

Ireo minia manarona, ny masoandrom-piainanao!
Ireo hery izay manery, anao ny hitalaho,
nefa dia mamatotra, ny ainao tsy hiampita!
Hery mampitamberina, ireo ady tsy vita!

Ho an’ireo mijaly, sy ho an’ireo misento!
Ho an’izay mitomany, no hanaovako ity vetso!
Novokarim-po, noraketiko ho amboara!
Narakitro ho diary, nosoratako ho tantara!

Banjino sy jereo, ny lasa efa vita!
Aza karohina akory, ‘reo ràtra efa tsy hita,
fa aleo ho levona any, hamafa ny tomany!
Aleo ho main’ny afo, dia hototofan-tany!

Banjino dia diniho, fakafakao lalina,
ny lasa izay navela, napetraky ny alina!
Banjino fa aza avela, hiserana handalo!
Fafao ny ranomaso, dia eo fafao ‘reo kalo!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
355 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0237