HO INONAO NY LASANY? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO INONAO NY LASANY?
Ho inonao ny lasany, raha toa niova izy?
Lasa toy ny lasa, ka tsara ve ny ho averina?
Ho inonao 'zay vitany f'izao, mahatsapa-tena izy?
Ka nanoritra ny kasany, ho tolom-panenenana!

Lavo moa tsy ho lavo, ka nahoana no hiniana?
Hiniana mbola hazera, hihosina maloto.
Natao kisarisary, endrim-panahiniana,
nefa nandatsana azy, hanakivian-joto!

Dia kisarisary, ve ny fahafahany,
nefa toa mba teo, ny zotom-pony ho afaka?
Ka moa ho mendrika azy, ny hihombon'ny ràtrany,
hahatonga azy ho osa, ka hiverina ho solafaka?

Sanatriavo kosa e! Fa efa vitan’ny sedrany,
ny onitrin'ny lasa, 'zay lasam-pangejana.
Omeo azy, 'zay tena anjara toerany,
fa raha ny vitany, toa endri-pahagagana!
RRAG
21 Mey 2017
--------
Rohy:
294 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224