I MANJAKELY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I MANJAKELY...
Manaitra ny maso tia tazantazana,
ny bika aman'endrik'i Manjakely!
F'indrisy ny am-bavany, ny fandavam
-pitia, no lasa am-betin-teny!

Fitafy manintona maso hivily,
ilay zipo fohy hila hanasa-pe!
Mangala-pijery sy mitilitily,
milela-molotra ity ramose!

Fa i Manjakely miava-pihaingo,
manaitra matory amin'ny fihetsika aseho!
Saingy mbola mipetraka ho isam-baraingo,
'lay anton'ny tsikiny taninkeo!
RRAG
08 Septambra 2021
--------
Rohy:
412 1
Mpakafy: RRAG
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229