IANAO NO TIAKO (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO NO TIAKO
Ninoninona ho sedra, ka hanova ny tantara?
Dia ny hany tena ‘ngeza, dia ny anaranao malala.
Tena ianao no tiako indrindra, tokana finidim-poko,
‘lay fitia tsy azo afindra, fa ho anao nosafidiako!

Ninoninona hidona, hisetrasetra indray ny foko?
Dia aleoko izaho no moana, raha ianao tsy ho ampofoiko.
Fa eny an-tratran’olon-kafa, toa falifaly manadino,
ianao anie no tiako e! Nefa ianao tsy mety mino!

Ninoninona ho faka, tsara fototry ny ela?
Ny foko tsy hiambakavaka, hamaky ny tahirin’ny ela.
Ho anao ‘lay olon-tiako, ilay hany tena mamiko,
hangina aho, dia tsarovy fa, narotsako ho anao, ‘lay faran’ny tomaniko.
RRAG
Martsa 2005
--------
Rohy:
461 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.025