IARIVO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IARIVO…
Raha maty aho, aza tohofanao tany,
fa rakofy ravin-kazo, eo ambodin’ilay akany,
izay toerana falehako, fitazanako an’Iarivo.

Aza atao am-bata akory, fa aleo hitanik’andro.
Aza misasatra avy ianao, fa efa eo ilay masoandro,
hiambina ahy, sy ilay Iarivo.

Aza asiana lambamena, na fonosana avy aza,
aleo ny vatako, mba hahita izay mazava,
mety ho tinazan’Iarivo.
Raha maty aho, izany re mba tsiahivo,
any tokam-pangatahako.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
321 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221