INDRE… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRE…
Indre, tazako toa mitomany,
dia mandatsaka ny ranomaso.
‘Ty fireneko toa manganohano…,
hontsa dia hontsa amin’ny taniny!
Sa izaho kosa, no hoe nanadino,
ka tsy nahatsiaro, izay fisiana?
Izy eny anivon’ny tsilo,
no mamerina fitadidiana.

Indre! Indro vetso iray mangina,
arahako hafa-miampita.
No misavovona ambony habakabaka…,
fa mbola tsy mety tafita.
Anivon’ny habakabaky ny aty nofy,
ka tsy mahafoy misaraka.
Ho an’ilay fireneko marofy,
‘ndeha isika hiara-dalana.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3694