INY ANAKO INY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY ANAKO INY…
Io dia mba topazo, asio maso ihany!
Mba jerijereo, raha sendra mitomany!
Io dia mba tambazo, tolory safosafo!
Aza avela halazolazo, lemen’izato ankaso.

Iny anako iny, felan-tsy mbola maina,
omeo izay iriny, fefeo ‘lay nantenaina.
Dia ilay fitia, tsisy izay takalony,
ka tsy ho iny sanatria, no zary zavo-malony.

Iny anako iny, fanilo fa tsy raozy,
namoha ilay fahiny, nanamafy daozy.
Saingy mbola ho izy, no hamafa izay voafery.
Izy no fanafody, voka-misitery!

Iny anako iny, tsy henatra tafiako!
Na rovidrovitra aza, dia lamba ny fihafiako,
mitoetra eny foana, sarotra havalona,
Izy iny ihany, no nahatonga ahy ho malina.

Iny anako iny, no tetezan-kiampitako.
Tady iray mitàna, tsy resin’ny hadalako.
Izy iny irery, no tokana ahavelomako.
Iny anako iny, no aingam-pitolomako.

Ka sanatriaviko eto, ny hamafa ny fisiany!
Sanatriaviko eto, ny handrara izay ho tiany!
Fa azy ny safidy, manarak’izay voalahatra!
Nefa eto an-tany, tsy hisy tonga lafatra!

Ka aza omena tsiny, raha toa mandidy ihany.
Manapaka tsy satry, ny anjara entin-tany,
fa vokatry ny fitiavana, iny anako iny.
Tsy mampaninona ahy, izay hibaby tsiny!
RRAG
27 Oktôbra 2012
--------
Rohy:
321 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227