IRIKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRIKO…
Iriko tsy ho foana,
tsy ho ravan’ny anio,
ny tantara noraketina,
nosoratan’ny omaly!

Iriko tsy ho foana,
tsy ho ravan’ny anio,
‘reo aina izay nafoy,
ka nototofan-tany!

Fa satriko izy ireo,
hipetraka sy hitoetra,
mba ho fanarenana,
ny atin’ny fanahy!

Ka hanohan’ireo,
izay resy sy matahotra,
very fanantenana,
ka miahotra tsy sahy!

Iriko tsy ho levona,
na rotiky ny lasa,
‘reo voady vita dina,
sy vina vita kasa!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
269 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241