IZAHAY ROA LAHY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHAY ROA LAHY…
Hoy ny vatana:
Mifamaly foana, izahay roa lahy,
miziriziry izy, hoe manana ny marina,
nefa izaho vatana, mahery noho ny fanahy,
satria raha tsy eo aho, izy tsy misy hohanina.

Hoy ny fanahy:
Mieboebo izy, fa matanjaka no izaho,
tsy fantany anefa, f’izaho no mitondra azy,
izaho fanahy, no mampisaina anao,
afaka ialako ianao, f’izay tsy vazivazy.

Hoy ny saina:
Ianareo roa lahy, tsy misy mba mandinika,
tsy mba mijery ilavitra, ny fahadisoan’ny tena.
Ianao fanahy, ianao mpibitsika,
ianao vatana mpiavotra, fa manam-pahalemena.
Toa anao fanahy, mora mivadibadika,
ny vatana ihany koa, tsy mahatody ady ilavitra,
raha toa misy banga, ny iray aminareo.
Mifameno izany, mifameno ianareo.

Hoy ny vatana:
Marina dia marina, ny ambaranao ry saina,
satria aho tsy misy azy, tsy afaka miaina,
miriaria toy ireo, voary hafa manam-batana,
saingy ny ankamaroan’ireny, tsy ela dia efa any am-patana.
RRAG
02 Aprily 2005
--------
Rohy:
268 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022