KARAZAM-BONINKAZO. (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KARAZAM-BONINKAZO.
Ny “Iris” voninkazo tsara vony,
toy ny fo mitony,
mandravaka tontolo,
rehefa tsara kolo.

Ny “Cœur de Marie”,
no voninkazon’ny fitia,
manambatra olon-droa,
famatotry ny fo.

Ny “Oxalis” no voninkazo soa,
tsy manam-paharoa,
tsy miavaka amin’ny raozy,
fa izy tsara paozy.

Ny “Jasmin” no fanantenana,
voninkazom-po, tsy mety mba tamàna,
tsy ela fitoetra, an’alan’ny fitiavana,
fa vony manam-petra, toy ireo firavaka.

Ny “Bégonia”, iray alina karazany,
voninkazo miavaka, sy tokam-pombafomba,
avy amin’ny felany, ny azy ny fitiavany,
toy ny “Camélia”, raha atao ny tombantombana.

Ny amaranana azy, dia ny “Paquerette”,
tsy dia hafa loatra, amin’ny “Violette”,
samy voninkazo, fambara ny fitiavana,
toy ny lisy fotsy, famato-pihavanana.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
406 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0267