KENDAM-BOMANGA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KENDAM-BOMANGA…
Moa ‘zao ianareo ka nahalala anay,
ilay nitafo lanitra tan’oran’andro?
Naloto sy nisolitaka ny tenanay,
ary tsy nahita izay anjara masoandro!

Sendra vomanga teny an-jaoridira,
dia avy nandrapaka tsy nihafahafa.
Loza ity izy fa toa nasirasira,
tsiro toa tena tsy mba nahazatra.

Nanesika ihany tsy nahalala ho voky!
Nihinana ihany fa nanahy ny tsy hahita!
Io aloha izao no tena azo toky,
fa hanina misy ary mety hahavita!

Kenda ny tena dia nitady rano!
Nefa aiza ny hahita fa ireny aza vidina?
Tsy ho loza izany fa hidirana angano,
hisotro ny maloto hatrety an-jaoridira!
RRAG
Nôvambra 2000
--------
Rohy:
260 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0277