KISENDRAM-PITIA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KISENDRAM-PITIA...
Maso nitopy saika nangarika,
nahatazana imaso ny hatsarany,
no babo sy rotiky ny hamanjany!

Sendra fitafy fohy dia voasarika,
nidoboka mafy ny fo ao anaty,
resim-pitia ka toy ny tsy ho faty!

Ilay loha mpilanjona no indro nitodika,
nangala-pijery amin'ny mason'akoho,
satria tokoa efa babo ny fo!

Ka ketraka mafy sy toa rotidrotika,
potika mihitsy ny fo zatra niavona,
ela ny ela fa sinda 'lay zavona!

Kisendram-pitia no nanova toetra,
nampiray fo mpifahavalo tsy sasatra niady,
fe ankehitriny dia lasa mpivady!
Ka lamban'akoho no fetra!
RRAG
01 Jona 2021
--------
Rohy:
251 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217