‘LAY SALOVAN-TAVANAO, FENO RANOMASO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘LAY SALOVAN-TAVANAO, FENO RANOMASO…
Ry aiko, ‘ty tavanao mando, noleman-dranomaso,
nisolitika naloto, tsy nisy famafàna.
‘Ty ràtram-perinao, nondesin’ny ankaso,
narary fa nihafiana, fa hola-pahazazana.
‘Lay salovan-tavanao, feno ranomaso,
mari-pahatsiarovana, irony ferinaina.
Ireny akanjonao, kotsan-dranomaso,
Porofom-piandrasana, izay nantenaina.
Saingy toa indrisy, mbola toa tsy tonga,
mety mbola tsy ho avy, ilay niandrasanao.
Dia nitomany ianao, toa zary lasa fomba,
‘ty mamafa ranomaso, amin’ny fitafianao!
RRAG
05 Nôvambra 2012
--------
Rohy:
359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219