‘LAY TANTARANTSIKA… (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘LAY TANTARANTSIKA…Efa nalevin’ny omaly mba tsy hihiratra!
Efa natototra tsy hahita izay mangilatra !
‘Lay tantarantsika efa novonoina,
efa hatramin’ny ela no niniana nadinoina.
Indrisy fa nihiratra, nanafo indray,
nandoro ny fo, ‘lay sisa tsy nety may.
‘Lay sisa tsy mba levon’ny tantarantsika,
mbola navaingan’izato hatsiaka.
RRAG
21 Jona 2012
--------
Rohy: