MAHANTRA LOATRA NY FO AO ANATY! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHANTRA LOATRA NY FO AO ANATY!
Mahantra loatra ny fo ao anaty,
ka tsy mahay mankasitraka.
Toa mbola mitady ny ampiampy,
tsy mahalala izay vizaka.

Dia ny manome tsiny,
no toa tena hainy.
Nefa anie iny,
no vitan’ny sainy.

Mahantra loatra ny fo ao anaty,
ka tsy mahay tiavina.
Reniny izao izay efa maty,
dia sahiny lavina.

Sahiny hosena,
fa tsy nahatafita azy.
Nefa sendra faharesena,
noho ny fo tsy miady.

Satria zanany iny,
ka moa tsy sarotra aminy,
ny tsy hangina anaty tomaniny?
RRAG
11 Desambra 2012
--------
Rohy:
261 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024