Ampidiro aloha ny tenimiafina
MANDINIKA. (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDINIKA.Very hevitra, eh! Toa very dia ihany koa,
mibanjin’ilay hoavy, sy ‘reo lazaina mahasoa.
Mahasoa ny firenena! Tsy ho hangatahan-tambiny!
Ka hibodoana ny hareny, sy ‘zay sisa ambinambiny.
Sisa lovam-pirenena, ambim-potaka tavela.
Navela hoentina maneso, handoroana ny hambom-po.
Ary nenti-nandràtrana, sy hanindromana aty fo.
Satria tsy sitram-panafody, ilay ozona sy tody.
Aleo angaha mangina, mangina tsy miteny intsony,
eto am-piatrehan’ady, ‘zay tsy mety ho tony.
F’indrao mantsy handoro indray, ny faka sisa mitàna.
Mba tsy hampianjera ity, Nosy tanindrazana malala!
RRAG
Jona 2009
--------
Rohy:
