METY HISY VE? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
METY HISY VE?
Mety hisy ve fitia,
any anaty valifaty,
handresy irony hatezerana,
notinefin’ny teti-dratsy?

Mety hisy ve fijery,
hiaiky ny lazain’ny fo,
eo anivom-pahasorenana,
sy ny fahavakisan-doha?

Mety hisy ve mpitazana,
tsy hanakia-mpilalao,
rehefa sendra ady mazana,
na koa loza mitatao?

Mety hisy ve ny namana,
tsy hanadino ireo nanampy,
rehefa iny ka tafita,
ka nita hatrany an-dafy?

Anjaranao no mandinika!
Anjaranao no mamaly!
Fa moa raha nisy fahoriana,
tao tsy nisy koa nifaly?
Ka raha ny eritreritrao,
moa tsy eny, ny valin-teninao?
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
293 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242