MIANGATRA ITY LANITRA. (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo nisintoniko manokana tamin’ilay ainga nosoratako nampitondraiko ny lohateny hoe: “MIANGATRA NY LANITRA” izay nosoratako anio ihany.

MIANGATRA ITY LANITRA.
Indrisy fa miangatra ity lanitra,
fa ny aty sahirana tsy manana ho hatelina.
Totofan’ola-maro satria ve mahantra,
tsy mahita akory izay hanin-kahavelona?

Eh! Miangatra ity lanitra,
fa any izao ny mpanana tsy mahalala tsy ampy.
Kanefa, isika ilay mahantra,
mikaroka, efa hila ho faty!
Noho ny hasasarana, lova tamin’ny lasa.
no mbola lava-dantsana, sakan’ny kinasa!

Tena miangatra ity lanitra,
fa irony mainty volon-koditra, manohi-panavahana,
fa tsisy mahatsikaritra,
satria tokoa ve mainty, dia lazain-tsy havana?

Indrisy fa miangatra ity lanitra,
satria ireo kamboty, resim-pahoriana,
dia tsy navela akory, hiaina irony hanitra,
fofom-pahafahana, sy hikam-pifaliana.
RRAG
02 Febroary 2004
“Kôlejim-panjakana Moramanga”
--------
Rohy:
269 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228