Ampidiro aloha ny tenimiafina
MISEHO TSY MAHALALA... (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISEHO TSY MAHALALA...Mimamo amin'ny taoka miary labiera,
migoka tavoahangy fa tsy misy vera!
Midoroka setroka anivon-tsigara,
ilay misy voany koa ry tsy miala!
Dia 'ndrao fa misidina ny eritreritra,
masoandro miposaka lazai-milentika!
Manonofy ny hoe ary elatra,
hay moa ka nofy ity mampitselatra!
Mampihogahogan'ny atin'ny fo,
mampihevi-tena fa tompon'ny loha!
Dia manandran-tsakafo lazaina ho raitra,
ity voatsako antsy mpanata-jaitra!
Miseho tsy mahalala ny vokatry ny revy,
ka rehefa tsy mahazo dia injao migrevy!
Miteli-moka ny zava-tsy fihinana,
dia midingin-drambo hoe miaka-pidinana!
Nefa aiza hisy rano hiakatra izany?
Raha hoe mbola tany koa moa 'ty tany!
RRAG
22 Desambra 2020
--------
Rohy:
