MISORATRA ANY VE? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISORATRA ANY VE?
Tomefy fijaliana ny tany fandalovana,
tokoa moa 'zay ny fiainana!
Rakofam-pahoriana ny embom-pahatsiarovana,
fa iza no hitarainana?
Manaikitra ny lasa, mikiky ny aty fo.
Injao itony ratra, nandrobona nifoha!

Feno alahelo ny fo sy ny ao anaty,
saingy tsy hay fafana!
Misy hombom-pery toa tsy mety maty,
fa mbola injao tamana!
Mandrangotra ny aina, misintona azy hilavo!
Dia mbola nitaraina, tamin'ny hiaka avo!

Misoratra any ve fa, tsy maintsy hijaly ny eto,
raha tany hoe ny tany?
Voalahatra any ve fa, hitsiry eo ny sento,
navelan'ny omaly?

Misoratra any ve, hoe lala-nodikaina,
no indro maro tolona?
Ny lahatra sy tendry, no atao mamaky saina,
dia miary vavan'olona...
Ka aiza no ho tafita, an-dalana malama?
Saingy rehefa vita, ny ady vao hoe fafana,
asiam-piverenana!
Satria hoe nanenenana!
RRAG
31 Martsa 2021
--------
Rohy:
275 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206