MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHADIMY) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHADIMY)
Lala…! Ianao ‘lay tsy miavona, sy tsy manavakavaka.
Mahafantatra ny hona, sy izay ho lavadavaka.
Mahay mijinery, ny lavitra tsy takatra.
Mahalala izay fotoana, tokony hialàna sasatra.

Hanta…! Tambitamby maro, miary angolangola.
Asehonao an-tsiky, arahin-doladola.
Rotsirotsy kanto, an-tenim-po malefaka.
Mandefy ny hakiviana, mampitony saina reraka.

Laingo…! Soritra mihazona, ny hakantom-bony miavaka.
Isan’irony tanjona, tadiavam-balim-bavaka,
manova ny jinery, izay nitondra ràtra.
Amboara misitery, saingy, tahirin’irony lasa.

Mamy…! Fiainana hirina, hiainana eto an-tany.
Ilay tomefy hafaliana, sy ilavitra tomany.
Tsirom-piarahana, satry tsy ho foana.
Saingy indrisy, fa misy fetra foana.

Sanda…! Takalon’ny natao, solon’ny tsy vita.
Mety ho talaho, na ranomaso ritra.
Mety ho fifaliana, sy tsiky lafovidy.
Tolotry ny fiainana, nondesin’ny safidy.

Ranto…! Tosi-mampisosa, ny fiainana irina.
Fanalaviran-tsento, izay nentim-pahoriana.
Lalana mazava, tinaratry ny masoandro.
Valim-bavaka izay, iandrasana isan’andro.

Dera…! Ilay tsy tadiavinao, fa tonga tsy nantsoina.
Ilay hikahika, mampiteny moana.
Mampifoha ny maty, mitady voninahitra.
Saingy anio tsarovy, fa ireny tsy maharitra.
RRAG
25 Aprily 2018
--------
Rohy:
486 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0239