MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHEFATRA) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHEFATRA)
Nomena…! Anjara tsy nangalarina, fa voka-po nanolotra.
Raisin’an-kafaliana, ka arahin’orokoroka.
Karazan’irony zavatra, manova zava-maro.
Mampitamberimberina eny foana, ny hakanton’ny tsiaro!

Tovo…! Ilay tsirim-pahalalana, tsy lefin’ny hakamoana.
Indraindray manosika, saina hiady foana,
handresy ny habadoana, hanambakan’ny ambony.
Ka izay efa hanananao, tovano sy tovony!

Mioty…! Fambara moa izany fa, nisy ny nafafy.
Toa mba milaza koa hoe, nisy andro nampihafy.
Kinanjo ankehitriny, mioty izay najinja.
Ka ‘zay novokarinao dia, anjara tsy azo afindra.

Kanto…! Toa hoe iray fiaviana, amin’iry meva.
Anarana tsotsotra, saingy mety haneva,
na koa hanaraby, izay mitondra azy.
Ny anarana dia efa, famatotry ny tady.

Voahirana…! ‘Lay naman’ny voary, haingokaingon-drano.
Ilay mieza-mampitony saina, mamafa ny manganohano.
Mandray ny vetsovetson’ny fo izay tena tia.
Manambatran’ny nofin’ireo te hiara-dia.

Fanja…! Fefin’ny fitiavana, odin’ny alahelo.
Famafa ny aty fery, sy ny ràtra mety hihelo.
Mihazona tsy hisokatra, ny zaitra efa maina.
Manalavitra ny fo, tsy ho resin’ny taraina.

Onja…! Ilay tiana ho halavirina, fa sedra mafy indrindra.
Saingy toa voatohitra, raha sendra tsara rindra,
ny tetika hoentina, handravàna ny setrasetrany.
Toy ny dinga-maro izy, ka manana ny fetrany.
RRAG
25 Aprily 2018
--------
Rohy:
311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229