MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FARANY) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FARANY)
Hary…! ‘Lay tefy sy volavola, nivadika ho aina.
Ilay haizina tsy takatra, zary toa maraina.
Tomefy misitery, fahagagana maro.
Singa tsara voatra, no ainga mifangaro.

Manda…! Vesatry ny lanjan’ny fanantenana.
Fahefan’ny fo, hitia am-panajana.
Hery ambonin’ny hery, tsy tohitry ny saina.
Hazavana vao, nitondra ilay maraina.

Harena…! Ilay tsy tambo isaina, tsy hita horefesina.
Misy ny mety haharitra, fa ao ny ho harafesina.
Ny fahendren’ny tena, dia vitsivitsy mpanana.
Fa ny hafa, hisy hitsiriritra, ka haka ny eny an-tanana.

Koly…! Rivotra mitsoka, mitondra ainga vao.
Famafa ranomaso, nondesin’ny talaho.
Fanavaham-pejy, hahafahana miroso.
Ny tanjona kinendrena dia, samy mba handroso.

Nivo…! Ivom-panaperan’ny hatsaram-panahy.
Hazavana mampisava, ny vesatr’ahiahy.
Ivom-piafaran’ny setrasetran-tany.
Hikam-pisandratan’ny fihavanana hatrany.

Sariaka…! Mandravaka ny tava, manori-pifaliana.
Mahatonga fo hisava, tsy hitàna fanahiana.
Mamelombelon’aina, mitondra tsiky vao.
Halalàna foana fa, tena tanora ianao.

Antso…! Feo mety hanako, an’efitry ny nofy.
Angolan-tambitamby, re mandrotsirotsy.
Misafo ny aty fanahy, mitondra fahasahiana.
Henoy ‘zany firitsoky ny antson’olon-tiana.
RRAG
07 Mey 2018
--------
Rohy:
430 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0282