NAMAKO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMAKO...!
Mba maro ny namako, fa hafa ianao,
ilay namako hatramin'izay, ka hatramin'izao.
Namana, namako fony fahazazana,
eny! Hatramin'izao fahatanorana!

Ianao no namafa, 'rony ranomasoko,
niara-nizaka, irony ankasoko,
niara-nifaly, nisedra ny lasana,
ary hinoako, fa ho hatrany am-pasana!

Tsy namadika ahy, tsy nandao ahy mihitsy,
mahitsy fiteny, tsy mba mitsitsy.
Tsy namana, raha hoe misy patsa,
fa niara-nisedra, ny fery sy ràtra!

Namana ianao, tsy mba mavomavo,
niara-nisondrotra, ary koa niara-lavo,
niara-voafonjan-dRafahantrana.
Mpiara-mianatra isika, dia mpiray tanàna!

Namako ianao, tsy laviko izany,
hogahogaiko, maneran'ny tany!
Namako ianao, namako hatrany,
na anatin'ny tsiky, eny sendra tomany!

Namako ianao, voadiko izany,
tenin'ny fo, ka hotanako hatrany.
Dia isika ho mpinamana, mandrakizay,
ny aty aminao, ka ny any aminay!
RRAG
14 Mey 2017
--------
Rohy:
425 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0286