NAMANA…! MPINAMANA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMANA…! MPINAMANA…!
Fony isika roa vao zaza, nilalao tandrefan-trano,
no nanamafy fihavanana!
Ankehitriny isika angamba, efa manan-tokantrano,
dia tsy hanadino fa mpinamana!

Fony izaho sy ianao, ny lela mbola toa nibada,
tsy nahay niteny akory,
hafa tsy hoe: “Aiza, i Dada?”
Ary avy eo dia naka-tory,
dia efa nofatoran-dahatra, hifameno toy ny lisy.
Saingy indrisy ankehitriny, nofy ireny fa tsy misy!
Lavon-tany ianao ka lavo, nakarapony hianjera.
Resim-piainan-ka nalazo, tsy nahandry akory lera,
fa nanarak’aina mihitsy, ny filavoan-defonao!
Vata-mangatsiaka indrisy, no hitomaniako amin’izao.

Namana, teny hifamatoran’aina!
Mpinamana, fato-drà mamefy saina!
Namana, tsy mba vitan’ny tokim-bava!
Mpinamana, ilay voady tsy mba rava!
Tsy mba lefin-draorao,
tsy voazeran’ny talaho.
Tsy voafingam-po, mandrangitra,
fa voady amin’ny lanitra.

Fony isika roa vao zaza, tsy nahay niteny firy,
no nifamato-po handrava,
izay sedran’ny hirifiry,
tsy noheverintsika ho lava!
Ankehitriny laha-pasana, no nandrefy ny alalina.
Tendrin-dahatra mpandrava, no niezaka namalona.
No niezaka namafa, fa ianao koa dia namana!
Namako ianao, izaho sy ianao ‘lay mpinamana.
RRAG
26 Desambra 2012
--------
Rohy:
652 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223