NANGIDY FA NANDRAMANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANGIDY FA NANDRAMANA…
Taiza ho aiza teny no nisy sakantsakana,
tsy nahafahanao niampita?
Kanefa todinao ny tanjo-nifaharana,
ka tonga hatrany ampita.

Lasa olomanga, manana ny ampy,
fa tsy ilay be lelo kely, maro mpanaratsy.
Tsongoin’olom-bolo, reharehan’ny gasy,
nefa aiza ‘lay nesoiny, fa rovitra fitafy?

Mafy aloha ny ady e! Tsy lavina ny sedra!
Nefa tafitanao, hatramin’ny tena ‘ngeza.
Nangidy fa nandramana, ilay nitady soa,
saingy kely ireny, niohatra ny hambom-po.

Nenjehina ianao fa zanaka tantsaha!
Indrisy noharatsiany fa mavomavo lamba!
Ankehitriny ianao, lazainy fa vazaha,
satria ny fiovàna, nampitanaka vava.
RRAG
23 Jolay 2019
--------
Rohy:
500 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022