NENY TIAKO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENY TIAKO…!
Neny malala, tokana an-tany,
ny saraka anao, dia mampitomany.
Mafy amin’ny fo, izany irery!
Ny anaranao, no vita tsianjery.

Tsy laviko ry Neny, fa maditra aho,
kanefa kosa, tiako ianao.
Ka hialako izay, mety nandràtra!
Hovaiko mihitsy, ‘reo toetra nahazatra.

Neny tiako, tsy manan-tsahala,
ny anilanao, dia maro mpahalala,
fa kanto ohatr’izany, tsy manam-paharoa.
Ny fitiavanao, tena avy ao am-po!

Hafa ry Neny, izany mihanta,
ka hatolotro ho anao, izato antsa,
kaloin’ny foko, takalon’ny tamby.
Tsaroako ireny aho, mba miantsandry.

Miavaka mihitsy, ny fitiavanao,
tsy mety maty, tsy miova amin’izao.
Tokana iny, tsy vitan’ny tsiaro,
fa famelom-po, tsy mba nafangaro.

Tsy misy ny mira, fa miavaka hatrany.
Ventesiko an-kira, dia ilavi-tomany.
Tena tiako ianao, ry Nenin’ny foko,
raha ny fitiavanao, dia tsy mba hosoloiko.
RRAG
04 Mey 2013
--------
Rohy:
158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219