Ampidiro aloha ny tenimiafina
NILAOZANAO… (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NILAOZANAO…Na dia nangina, mody tsy niteny aza ianao,
dia fantatry ny tiana, fa nanomboka efa lao.
Leo ny adin-tsaina, nanototra ny tena,
dia lasana ianao, nandeha namono tena.
Ny ranomasonao anefa, dia mbola ity tavela,
mihazona mafy, ‘lay olon-tianao.
Io ihany mantsy, ilay fatoran-tady, efa hatramin’ny ela,
nampifandray hatrany, azy taminao!
Na dia tomany, no nasesikao, ny alahelom-pony,
satria ny anatinao, aza tsy nety tony.
Dia naleonao, nandao ny fiainan-tany,
nefa tsy tan-tsainao, ilay fony nitomany.
Fa nilaozanao!
RRAG
12 Martsa 2013
--------
Rohy:
