NITOMANY AHO FA MATY ILAY MIMY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NITOMANY AHO FA MATY ILAY MIMY…!
Neny ô! Latsaka tsy satry, noho ny alahelo, ny ranomason-tavako.
Raha nahita ireto, zana-tsakakely, fanintsin’ny jineriko.
Misaona mi-miaomiao, anoloam-bata-mangatsiaka, mivalampatra eo anilany.
Mitomany angamba ireo, fa lavon-dahatra ‘lay reniny, ka tsy hisy ny hifihinany.

Neny ô! Nitomany aho, fa maty ilay Mimy, tsy mba manan-kialofana.
Toa sakasaka dia, tsy mba fanta-tompo akory, mitady izy vao homana.
Dia injay kamboty toa tsy fidiny, ireto anaka, nateraka.
Honjohonjo teny ho eny, adin’izy samirery, ka nahatonga azy ho reraka.
RRAG
19 Desambra 2014
--------
Rohy:
571 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221