NITSIRY RAOZY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NITSIRY RAOZY…
Namelana ny foko, nitsiry raozy mainty.
Nolaviko avy hatrany, ny teny hoe tsy maintsy!
Tsy tiako ny fitia, rakofam-panerena.
Tsy laviko anefa, fa ao no ivom-pandemena!

Nefa kosa, aoka tsy hisy tambiny!
Tsy hamarotana safidy, ho varotra hambongadiny,
na hanaovana, ny fo takalon’aina.
Hahatonga azy indray, ho vakin’ny taraina.

Namelana ny foko, nitsiry raozy mainty.
Tsy ho ekeko akory, ny tery hoe tsy maintsy.
Laviko avy hatrany, ny fanerena hitia,
olon-tsy safidy, ka ho fihatsarambelatsihy.
Fa tsy hisy akory, takalo sy dinika,
toy ireo ‘ngeza, manimba ny madinika!
RRAG
24 Desambra 2012
--------
Rohy:
281 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225