NOLAZAINY… (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Entina hampandinika ny tsirairay momba ny maha Malagasy antsika ity fa tsy hanasongadinana ny CVO akory!NOLAZAINY…
Nolazainy sampy jiaby, irony finoan-drazantsika!
Tsy maninona!
Nolazainy ody koa, ny tapa-kazo sy ny sisa!
Tsy maninona!
Nolazainy azy koa ny tany lovan-drazanao!
Kanefa haninona?
Tsy hisy hihaino akory ireny ranomaso sy talaho!
Fa tsy maninona!
Narabiany ny efa vita, ka voarafi-tanantsika!
Tsy maninona!
Nolatsainy an-kafara, na ‘reo ainga mbola tsy hita!
Nefa haninona?
Indrisy nolotoiny hatrany anaty, ny fahasamihafana hanananao.
Norobainy hatramin’ny faty, hatrany am-pasan-drazanao.
Novetainy avokoa, irony toeram-padintsika!
Ary ringa-manontolo, ny fombafomba tsy ho voatanisa!
Nolazainy indray izao, fa ody koa ny ravin-kazo!
Nefa ireny no halainy, ovainy kely enti-mitsabo!
Dia ianao manjifa ireny, aman’aliny sy an’hetsiny.
Sady faly ery miteny, sy midera izato fihetsiny!
Sainokely aloha ny anao! Dingadingam-beroberoka!
Nahatsabo “tension”, raha nosotroina sady evoka!
Saingy nolazainy hatrany, fa fomba ratsy hono ireny!
Ka tsy aleo manaja tena, dia mangina tsy miteny!
RRAG
12 Mey 2020
--------
Rohy: