NOSY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOSY...
Ny taniko nosy voadidina onja,
ny foko mitosy fa tsy mba manonja!
Mientana faly sy feno haravoana,
misento ihany raha sendra voadona!

Ny taniko nosy voadidina onja,
ny lasa rehetra voahidy am-ponja!
Ny fampanantenana tsy nisy tanteraka,
fa fery enti-maty sy enta-mavesatra!

Ny taniko nosy fa manan-karena,
misy mpitondra toa maka tsy miera!
Tsy jinereny ny vahoaka sahirana,
fa avelany hijaly tsy hahita mangirana!

Ny taniko nosy fa manan-karena,
ny vola no manjaka, ny fihavanany tavela!
Natakalo tsy am-piheverana ny harena mandalo,
‘zay nentim-bahiny, nondesim-pahavalo!

Ny taniko nosy voadidina onja,
ireo tia tena aleo tsy hitondra!
Fa injao hangorina ny harenan’ny Gasy,
ka ny tompony indray no hangasihasy!
RRAG
Desambra 2009
--------
Rohy:
260 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0285