NY ADIN'NY POETA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Eny anivom-panoratana no ahitana ady vao, fa tsy efa anefa ireny raha tsy eo koa ianao".

NY ADIN'NY POETA...
Ny miaramila dia, hery fiarovan’ny tanindrazanao.
Indraindray aza, herim-pamoretana, izao rehetra izao.
Am-basy sy an-tafondro, ireharehà-mpitondra.
Tanjaky ny mpanana, sy entiny mamonja!

Entiny hambaniana, ny madinika indrindra.
Lazainy fa hamehezana, tontolo ho tsara rindra.
Saingy toa miaro, ny hareny am-bala fotsiny!
Dia ny vahoaka toa anao, no mitsimpina ny potiny!

Ny adin'ny miaramila dia, ady ho an'ny 'ngeza.
Ny tolo-miaramila dia, sandry manageja,
mamatotra amin'ny tahotra, ny tsy am-piadiana.
Ny vokany anefa dia, tsy hisy fanjariana!

Fa ny adin'ny poeta, dia ady an-tanam-polo.
Ady tsotsotra fa, kosa mampikolo.
Miezaka mitaiza, ny zanaka ao am-para.
Ny adin'ny poeta dia, soritin'ny tantara!

Ny hevitra no hatorany, hiantsampy amin'ny mihaino.
Manindrona izy ireny, toy ny lefona mba saino!
Noraketiny amin'ny penina, 'zay hany fiadiana.
Ny adin'ny poeta dia, tsy misy fiandaniana!

Tsy misy fanavahana, saranga sy fiaviana.
Tsy misy izany hoe: "Tiana sy tsy tiana"!
Fa ady ho an'ny maro, ho an'ny fahamarinana.
Ny adin'ny poeta dia, ady am-pitoniana!

Ady ho an'ny rariny, sy ho an'ireo marefo.
Enti-manasitrana, ireo fo misentosento!
Entina mandrava, ny hery ambonin’ny hery!
Entina mandrodana, ny ady an-teritery!

Ny adin'ny poeta, tsy mora saingy ezahiny.
Ka ny ainga izay soratany, 'zay aingan'ny fanahiny,
no entiny hizaràna, ny heviny sy am-pony!
Ny adin'ny poeta dia, ady tsy mbola hitony.

Tsy mbola hifarana eto, fa mainka aza hitohy!
Raha mbola misy saina, miezaka mivohy,
fanavakavaham-poko, na razana niaviana!
Ny adin'ny poeta dia, tsy hanaiky hampangina.

Tsy hanaiky hampitony, ny fony sy ny sainy.
Ny miteny ihany, an'antsa no mba hainy!
F'izany mantsy hono, ny adin'ny poeta.
Tsy adiny samirery, fa antsika rehetra!
RRAG
02 Martsa 2018
--------
Rohy:
277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215