NY ATO ANATIKO! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ATO ANATIKO!
Tsy haiko hoe: “Fo akory”,
no mitoetra ato anatiko?
Toa tsy mihazon-donilony,
amin-javatra tsy tantiko,

Fo tia ka sendra tiana,
sa fo iray, mbola manam-paniriana,
ny tsy hitia mangina,
ny olon-tena tiana?

Tsy fantatro hoe: “Fo manao ahoana”,
no mihiboka ato anatiko?
Mangina toy ny moana,
amin-javatra tsy tantiko.

Fo be fandeferana anoloan’ny tiany,
sa fo manam-piheverana hiaraka amin-tiany,
ka mitroatra eny foana,
mandanindany ny fotoana?

Tsy lalako hoe: “Fo manao akory”,
no mitsiry ato anatiko?
No ilavi-tsorisory,
na misy aza ny tsy tantiko.

Fon’anjely angamba,
sa fo iray mody jamba?
No mody tsy mahatsapa,
fa mihosin-dràtra?
RRAG
25 Nôvambra 2005
--------
Rohy:
282 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022