Ampidiro aloha ny tenimiafina
NY FAHANGINANY… (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHANGINANY…Misy dikany ihany ve, iny fahanginany iny,
elaela toa tsy re, tsy mba niantso ny olon-tiany?
Tsy taratasy hoe voaray, na antso an-tarobia akory,
sa kosa lahy dia efa may, ka zary levona ny fony?
Tsy azo vinaniana akory, ny hevi-mety hofonosiny!
Sarotra hodinihina aza, raha toa ka misy fofompofony,
tady hisolosolo-toerana, ilay voaloham-pitiavany!
Tsy ho fantatra mihitsy, na dia hisy ny fandàvany.
Indrisy fa, ity fahanginany midika,
fa hoe ny ilavitry ny maso, dia nalavirim-po!
Ka tsy ho voavinavinantsika,
raha efa maty ireo taloha!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
