NY FANDROSOANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANDROSOANA…
Ny zava-nentinao, no lefona natsatoka, handràtrana ny hafa.
Ny rafi-tananao, no fery iray hitarika, hampihombo ny efa maràtra.
Moa ‘zao mifankaiza, tsy samy tsy mitafy i? Ny misalaka sy mizipo!
Samihafa fitaizana, saingy mitovy fihaingo, asa koa ny ampitso.
Fa ny omaly, nitafy fa tsy feno, nianjaka teo imaso.
Ny anio indray, mitanjaka mihitsy, tsy misy henamaso.

Noho ianao ry fandrosoana, dia miondrika ny tany,
mitomany mba mitroatra, tsy henoinao teny akory.
Noho ianao ry fandrosoana, dia hisy hahantra hatrany,
hiaina anaty adin-tsaina, sy eritreri-tsy hitony.

Mba nilaozana ny lasa, nefa hitovizany izao anio, ny fomba ‘zay nahazatra.
Mba navalona ny kasa, fa miendrika tadio, toa vao mainka indray mandatsa.
Ny lala-niampitàna anio, sy ny endri-pandrosoana, izay tinazan’ity maso.
Ka na ny omaly, na ny anio, eny koa na ny ampitso, dia tsy ilaozan’ny ankaso.
RRAG
12 Jona 2005
--------
Rohy:
767 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236