NY FIANTOMBOHAN’NY FARANY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FIANTOMBOHAN’NY FARANY…!
Hafahafa i Neny, fotsy sady hatratra…
Ny hatsembohana koa toa, tsy mety mba mitsahatra.
Kina ny tena, mangetaheta lava,
saingy na misotro rano aza, maina ny ati-vava!

Ny vava tsy mahasokatra, ny aina miahy kely…
Ny maso tsy misokatra, na dia hangala-pijery…
Ny hery tsy aman’aina, ny fo miadam-pitepo!
Asa kosa angamba, mety manomboka eto,
ny fiantombohan’ny farany!
RRAG
22 Nôvambra 2021
--------
Rohy:
503 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0175