NY FOKO VE? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FOKO VE?
Toy ny an’ialahy, ny foko koa midobodoboka,
ny foko sy ny ao anatiny, toa reko mihovitrovitra,
satria koa dia tia, tena resin’ny fitiavana,
ny fitiavan’ialahy, no akanim-pahasambarana.

Ny fitiavan’ialahy, no hany tena maminy,
telin’ity foko, toy ny “daliah”, fa hitany ny hatsarany.
Ka mila ny fitia, hanoritana tantara,
avy amin’ialahy, ‘lay tokana fanahy, no nisoritra ny anjara.

Ny foko ve? Tia dia tia ka dia mahasahy,
hamakivaky sedra an’ahiahy,
hisetrasetra zavom-be matevina,
ny lasa anefa tsy voalevina.
RRAG
09 Jolay 2005
--------
Rohy:
272 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217