NY HIRANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HIRANAO…
Raha izao tontolo izao, no hoe hangina sy hisaona,
dia irony hiranao, no hiverina hampihaona.
Hamelombelona indray, ny hasambarankelintsika,
Hanazavazava koa, ny haizin’ny akanintsika.

Raha ny tany no hangina, ho maizina daholo,
dia ny hiranao ry tiana, dia efa afaka hisolo.
Hisolo ilay tsy eto, hanolo ny hazavana,
hamerina ny vetso, hitondra hafanana.

Raha ny lasantsika, no fery handràtra aina,
na ny fitia mangatsiaka, tsy azo hantenaina.
Dia ho ny hiranao, no hoventesiko mangina,
amin’izato feonao, norakofam-pifaliana.

Raha ny ranomaso, no hiverina hilatsaka,
ka hihitatra ny fery, ny omaly tsy hitsahatra.
Dia aleoko ihany, mihaino ny hirahiranao,
na mafy aza izany, hoe mahatsiarotsiaro anao.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022