NY KILALAOKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY KILALAOKO…
Neny ô! Aiza i Kakibe, ‘lay tompon’ny noely,
fa mba manantena, kilalao avy aminy, ireto ankizikely?
Milaha-mitanjozotra, miandry kilalao, avy amin’ingahibe.
Eo izy mba hafaro, hitondra vatomamy, sy kilalao marobe!

Tsaroako eny foana, ‘lay tamin’ny taona lasa, ilay nahazo fiara.
Fiara vita hazo, miloko mena manga, isan’ny tena tsara.
Tsaratsara paozy, miendri-mazida, fiaran-dRy Randria.
Inona indray ‘zany, inona no ho azoko, mba ho azoko amin’ity?

Tsaroako ihany koa, irony vatomamy, efa tsy hay isaina.
Narary mihitsy aza, ny nify tamin’izany, nefa tsy mba sahy nitaraina.
Fa menatra anao, satria ny hatendana, no nahatonga izany.
Ny maso indray, no nanganohano, kanefa tsy sahy, tsy sahy nitomany.
RRAG
17 Desambra 2014
--------
Rohy:
424 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0283