NY LALA-NOLALOVAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LALA-NOLALOVAKO…
Ilavitra tsy efa, ny hiverina hiampita, amin’iny lalana iny.
Toa feno sedra loatra, na dia taratra hazavana, sy volamena soa.
Mety ho akanim-pahasambarana, satry hitoerana, ihany ny fahiny.
Saingy ao no tena onja, vesatra tsy zaka, mety handràtra fo.

Tsy vita taratara iny lalana iny, fa lalan-tany ihany, eny hatramin’izao.
Feno lavadavaka, feno rano miandrona, sady ratsiratsy.
Nefa soa ny fahiny, mamy toa tantely, tsy tahaka ny amin’izao.
Nofinofin-dasa, tsiaro ny fahiny, ny hiverina any satry.

Satria mahatsiaro, ireo tambitambin-teny, nenti-nampihanta.
Nifangaro teny, nifangaroharo, ny masaka sy manta.
Izay niaraha-nizara, tamin’ny foto-nipoirana, sy sila-drà fameno.
Ny sangisangy ireny, ny ranomasokely, ankehitriny toa tsy heno.

Ny lala-nolalovako, ilavitra tafitako, saingy tsy azoko hiverenana.
Nofinofy sisa, tsiaro sy tahiry, ‘lay lasam-pandevenana.
Izay natototany, nolalorana simenitra, mba tsy hitsiry intsony.
Rahoviana indray anefa, vao hisy lalam-baovao, toa azy irony?

Ny lala-nolalovako, tsy nofy fa safira, miendri-diamondra.
Ivon-dranomasina, sambo mpiandriaka, tsy matahotr’onja.
RRAG
30 Janoary 2005
--------
Rohy:
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221