NY NIANDOHAKO NO IAFARAKO... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NIANDOHAKO NO IAFARAKO...
Neny ô! Nofiko ve ny fiaina-nolalovako,
toa sary fotsiny, no mitamberina an-tsaiko?
Miendrika horonan-tsary, ny tantara fahatsiarovako,
‘zay misitery amiko, ny niavian'ny aiko!

Tsy ary aho, raha tsy ianao sy Dada,
nampiombom-pitia, hahaolona ahy.
Mbola ianareo, no nahatonga ahy ho zaza,
zaza ara-batana, tohofim-panahy!

Ianao ry Neny no nampiana-namindra,
nibaby ahy tam-pitiavana, raha sendra tomany.
Ianao sy dada, no tia ahy indrindra,
tokam-pitiavako, raha eto an-tany!

Ankizy aho no ianareo ihany,
niditra an-tsekoly, sy niana-nivavaka.
Nanomboka niaina, ny mangidy sy mamy,
naharinao, raha sendra tan-davaka!

Nobeazinao, nomenao fahendrena,
notezainao, ny hahaleo-tena.
Notantananao, mba hiroso hatrany,
mbola ianao ry Neny, no namafa ny tomany!

Tanora aho, nanomboka nitia,
nanomboka nilalao, tan-kianjam-pitiavana.
Ny hanadino anao, kosa sanatria,
tsy toy izao aho, raha tsy ianao no nitantana!

Tiako tokoa raha ny olo-nofinidiko,
saingy izany, tsy hahafoizako anao.
Izy ry Neny, ilay anjara safidiko,
hinoako koa, fa ho tianao!

Matotra aho ry Neny malala,
hanambady amin'izay, fa efa izao no fotoana.
Na izany aza anefa, aza misalasala,
fa raha isika mianakavy, dia mbola hihaona!

Neny ô! Aza manahy ny fahanterako,
ny zanako ireo, nobeaziko toa ahy.
Hinoako koa, fa afaka hianteherako,
rehefa hisinda, ka handao ahy ny fanahy!

Dia hifarana koa noho ny harerahako,
ny lalam-piainana, lalovako eto.
Ka hiverina tsy ho hisy, talohan'ny nahaterahako,
hihaona any isika, fa aza dia misento!
RRAG
24 Septambra 2017
--------
Rohy:
310 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224