NY RANOMASONY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RANOMASONY...
Tsy ianao no niaina, nizaka irony nozakainy.
Tsy ianao no nilanja, ny sedra efa nodikainy.
Tsy ianao ihany koa, no namafa ny tomaniny.
Dia sahinao ve ny hilaza, fa ianao no tena maminy?

Ny gogogogon-dranomasony, toa tsy tanan-dRamosoara.
Ny tepotepom-po manginany, tsy nohenoinao tsara.
Nefa any ny fonenan'ilay fitiavany anao.
Dia maika ianao, maika ery ianao ny handao!

Ny ranomasony tsy naninona, tsy nampaninona azy ireny,
raha fitia no tena antony, ka nizakàny eson-teny!
Ny ranomasony tsy an'iza, fa anao ilay malala.
Tiany foana na nandao, satria ianao ‘lay adala!

Mbola hinoany hiverina, saingy diso lalana any fotsiny.
Mbola manina ny akany, tsy mahafoy ny rotsirotsiny.
Ka ny ranomasony ny azy, no miantso anao mba hody.
Ranomaso mandrapihaona, tsy sanatria miantso tody.
RRAG
09 Jolay 2017
--------
Rohy:
477 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022