NY TANIKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TANIKO…
Ala maitso mavana,
maneho fanantenana,
no manaingo sy mandravaka,
mandoko ny tanàna!

Voronkely maro an’isa,
no indrao mikalo am-bodilanitra,
sady faly mitanisa,
ny hakantonao avy eny an-danitra!

Rano avy eny an-tendrombohitra,
misavasava lala-maro,
rehefa eny ambany vohitra,
dia ‘ndreo miredo-mifangaro!

Ny rivo-miainga avarabaratra,
no miarahaba ny atsimo!
Ny masoandro mitinaratra,
no minday ny fanilo!

Ny taniko no hafa indrindra,
maro voary miray rindra,
mifanampy, mifanohana,
miara-mizotra manala tohana!

Ny taniko no tena miavaka,
tomefy harena afa-mandravaka,
manaingo ny tanàna maro,
tena izy fa tsy angano!

Miavaka loatra raha ianao,
fototra hafa angamba izaho,
fa tsy iray volavola aminao.
Na izany aza dia tiako ianao!
RRAG
Septambra 2010
--------
Rohy:
263 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023